Voangory Mpitsifotra:
Maka tahaka
ny Siansa

Thomas F. Heinze


Mahafantatra ilay karazam-boangory mpitsifotra iny avokoa ve isika, ilay mitifitra avy aoriany tsiranoka mitsiritika miharo poizina ny fahavalony iny ? Ny “Vaovaon’ny Siansa” izay fampitana voka-pikarohana ara-tsiansa no mampita antsika fa “ny fandinihana io voangory io no nitsirian’ny hevitra nanaovana ireny fitoeram-panafody sy fitaovam-pamonoan’afo mifantsitsitra ireny, ka nampivoatra hatrany ny hai-tao avo lenta amin’izay lafiny izay”... Azo ampiasaina hampivoatra ny fikarohana momba ny fampiasana solika mampihodina milina fiara izy io, sy koa mitarika amin’ny fahitana fitaovam-pamonoana afo karazany vaovao, izay afaka mandefa famonoan’afo kely na betsaka mifanaraka ny afo tian-kovonoina1.  (Science News, 5 Aprily 2008)

Toa izao no fanazavan’ny “Vaovaon’ny Siansa” ny hahafahan’ity voangory ity mahavita izany: “ ny fanalahidin’ny fitaovam-piadiana maherivaika ananany dia ao anatin’ny kibony ao; noho ny fisian’ny fantsona kely fampidirana sy famoahanana entona ao amin’ny efitrakely fampiharoana anatiny ao. Misokatra ilay fantsona kely mba hampiditra taharo simika, ka mivadika ho mangotraka izany rehefa mifangaro, ary mikatona kosa ilay fantsona fampidirana rehefa feno ny fetry ny entona ilaina.

Rehefa mifangaro ireo entona dia miteraka hafanana ka mampitombo ny tsindry ao anatin’ilay efitrakely misy azy ao. Rehefa mihamafy ny tsindry ka efa ho kely sisa dia hibosesika ny entona, dia voatery misokatra ho azy ny fantsona fivoahana ka indro vaikan-tsiranoka mahamay miharo poizina no mitsifotra mivoaka ao, izay fantatra amin’ny hoe “tselatr’entona”2.

Rehefa lasa iny entona iny, dia mikatona ilay fantsona famoahana ka misokatra indray ilay fantsona fampidirana mba hanovo taharo vaovao ilay efitrakely hamokarany poizina hafa manaraka indray.” (Science News, 5 Aprily 2008)

Nahoana ary ny olombelona no maka tahaka izay voaharin’Andrimanintra, hanamboarany fitaovana fiantsitsitra tsara indrindra ? Ny asan’ny tanan’ny olombelona anefa dia tsy tsara noho izay an’Andrimanitra. Ny antony dia satria: (fa) ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona"  (1 Kor 1:25)

Ny fiarovan-tena ananan’ilay voangory dia maneho miharihary fahaizamam-boatra avo lenta, saingy ho an’ireo mpivoy ny hevitra “fivoaran’ny voaary” dia kisendrasendra ihany izany ho azy, zavatra sendra nisy ho azy tampoka teny araka ny fivoarana, sy ny fifantenana ara-boajanahary nitranga ho azy teny antsefantsefany teny hahafoana ireo izay tsy mety mivoatra. Ny voangory izay tsy manana ilay fiarovan-tena hafakely anefa dia tsy foana akory ankehitriny fa mbola misy hatrany ary izy ireo indray ary no maro an’isa lavitra noho ny voangory mpitsifotra. Aiza amin’izany no idiran’ny fifantenana ara-boajanahary ? Mba saino kely !

Toa izay fahita mazàna dia maka tahaka ny “fitsitsifotra” avy amin’ny voangory ny mpikaroka ankehitriny, mba hamokarany ho an’ny orinasany fitaovana fiantsitsitra satria tsy mahaforona fitaovana fiantsitsitra tsara kokoa noho io ny olombelona. Heverintsika noho izany fa ireo mpivoy ny fivoaran’ny voahary, ka isan’izay nanaiky nietry haka tahaka ny asan-tanan’Andriamanitra, dia miezaka ny mino fa vokatry ny kisendrasendra ihany ny fitaovana fiantsitsitra tsara indrindra alainy tahaka io.

      Maro loatra ireo ohatra mahatolagaga hita eo amin’ny zavaboahary

-- Ny tantely dia mavariana satria avy amin’ny elany kely iny no hitondrany ireo vovom-boa hamokarany mamin-tantely.
-- Ny Antsiantsy na katsatsaka dia mandady amin’ny rindrina sy ny valin-drihana, mahavita mihanika karazan-javatra maro tsy vitan’ny biby hafa mitovy habe aminy.
-- Ny vitsika, mahazaka lanja in-dimampolo heny noho ny lanjany.
-- Kolibria, voron-kely izay mahavita mikopaka elatra in-efapolo ka hatramin’ny in-droanjato isan-tsegondra.

Hita eny tontolo eny ny asan-tanan’Andriamanitra. Fa ny tena asany tsotra sy mahahomby dia nanomanany famonjena ho an’ ny mpanota. Nomeny Jesosy zanany, hitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo amin’ny hazofijaliana. Efa voaloa avokoa ny sandany rehetra ary efa maro no nisitraka izany. Ianao koa, ekeo ny fanefana nataony ho vidin’ny otanao, amin’ny finoanao an’i Jesosy Kristy hamonjy anao. Aza miezaka mitady fomba hafa intsony.

Ndeha ary hafantotsika ny saintsika sy ny masontsika handinika ny hatsaran’ny asan’Andriamanitra sy ny voahariny, ka hisaotra ilay Mpahary antsika izay tompon’antoka ny amin’ny sain-dalina sy fahendrena, ka ny hany azontsika atao sisa dia ny maka tahaka avy amin’izy ireny.


FANOROANA:

1 - Science News Magazine, 5 Aprily 2008
2 - S.k. ’Flash Evaporation’, http://en.wikipedia.org/wiki/Flash_evaporation
 

"Voangory Mpitsifotra: Maka tahaka ny Siansa"
<http://www.creationism.org/malagasy/bombardier_mg.htm>

Main:  Malagasy
www.creationism.org